By Andry Rakotomavo
Tarte aux mirabelles amandines
Miarahaba o
SAKAFO MARAINA na GOUTER : TARTE AUX MIRABELLES AMANDINES
Ny mirabelles moa dia karazana paiso rankena amintsika malagasy
Zavatra ilaina
Pâte feuilletée 1
Paiso "Mirabelles" 500g
Siramamy 50g (cassonade no nampiasaiko teto)
Amandes vovony 50g
Amandes effilées 50g
Dibera 50g
Atody 1
Fécule 1sotrokely
Fikarakarana azy
Sasana ny paiso "mirabelles" dia fafana tsara ho maina ary esorina ny voany
Hafanaina 180°C ny lafaoro
Atao ao anaty lasitra ny "pâte feuilletée" tsindrotsindronina amin'ny sotro rovitra ny fanambaniny.
Potsipotsehina ao anaty bol ny dibera dia araraka ao ny siramamy, ny amandes vovony , ny atody , ny fécule afangaro tsara mandrapahazo lakirema
Araraka ao anatin'ilay "pâte feuilletée" ny lakrema azo, lalorina tsara dia alahatra tsara eo ambony indray ny "Mirabelles" ary rarahana ilay "amandes effilées"
Ampidirana lafaoro efa mafana tsara ka 35mninitra eo dia masaka
Mazotoa o
Nahandron'i Lalah Gie
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire