By Andry Rakotomavo
Quiche de courgette au poisson fumé
Quiche de courgette au poisson fumé -
Zavatra ilaina:
Pâte brisé: 250g lafarina, 125g dibera malemy, sira 1 tsongo, atody 1.
na Pate brisé: 1
Courgette: 3
Poisson fumé:150g
Creme fraiche: 25cl
Atody : 2
Menaka, sira, poivre,
Fikarakarana azy
Pâte brisé:
maka bol atao ao ny lafarina, arotsaka ny dibera efa malemy en dé sy sira dia akambana amin'ny ratsan-tanana atao mifangaro tsara ka mahazo ohatran'ny fasika ianao dia arotsaka ny atody dia volavolaina hahazo boule ary avela hipetraka 30min na 1h eo. Fisahana avy eo dia tohizana ny recette.
Raha maika anefa dia afaka mividy vita eny amin'ny grande surface ihany koa.
- afanaina ny laforo @ 180ºc. Rehefa zay dia velarina amin'ny lasitra ny pate brisé dia tsidromina fourchette ny ampivony ary asina tsaramaso maina dia atao anaty laforo.(io no antsoina hoe "cuit à blanc" ) eo amin'ny 10 à 15min eo araky ny four
- Sasana tsara ny korzety dia tetehina boribory na araka izay tiana dia tetehina koa ny poisson fumé.
- Afanaina ny menaka dia arotraka ny courgette dia endasina kely fa tsy atao malemy loatra asiana poivre sy sira dia alefa miaraka ao ny poisson fumé dia avela hiketrika 5min.
- Rehefa avy eo kapohina ny atody dia arotsaka ao ny creme fraiche (afaka soloina yaourt nature ) dia asina sira sy dipoavatra ihany koa dia kapoina miaraka.
Rehefa masaka ny pate brisé dia araraka eo amboniny ny korzety sy ny poisson fumé dia arotsaka ny fangaro atody sy creme fraiche dia atsofoka ao anaty laforo mandritra ny 30min.
Mazotoa homana daholo ary tompoko o
de Poisson Fumé Trondro izay mivarotra poisson fumé.
Afaka mandray commande tel 034 96 142 48 na 034 11 160 61
na vangio ny pejy ao amin'ny fb.
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire