By Andry Rakotomavo
Whoopie au chocolat
WHOOPIE AU CHOCOLAT - azo atao "gouter" tsara toy ny mofo sokola
Ho an’ny sarony :
Zavatra ilaina :
150g siramamy,
100g dibera malemy,
atody 2,
170g lafarina,
3 sotro cacao vovony,
½ sachet lalovay simika
Fikarakarana azy:
afangaro tsara araka ny laharany ireo hanome laro ranoiray. Apetraka ambony papier sulfurisé vongany 1 sotrokely, raha misy manana ilay silicone efa misy faritra boribory kely ireny moa vao maika tsara. Atsofoka 10mn anaty lafaoro 180°C (efa nafanaina).
Ho an’ny sesika sôkôla :
Zavatra ilaina:
20g dibera,
sôkôla pâtissier 100g,
10cl crème liquide
Fikarakarana azy :
miaraka atsonika, afangaroy tsy ankijanona mba tsy hiraikitra.
Vita izay dia asiana sesika ny atsasaky ny boribory iray, ary saromana boribory kely faharoa.
Mazotoa o
Nahandron'i Bonbon Mamibe (nalaina tao amin'ny " Aux délices des gourmands ")
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire