By Andry Rakotomavo
Cake quatre quart à l'ananas
CAKE QUATRE QUART A' L'ANANAS
ZAVATRA ILAINA :
lafarina 200g
siramamy 200g
dibera 200g
atody 4
lalovay simika 1/2 fonosana (5-6g) Alsa
lavanila tahony 1 na "fleur d'oranger" 2 sotrokely na hanitra hafa.
mananasy
FIKARAKARANA :
- Afanaina mialoha ny lafaoro 180°C mandiritry ny 10 minitra
- Kapohana ny tamenak'atody sy siramamy,
- Rehefa levona tsara ny siramamy, dia arotsaka ny dibera efa noempoina, ny lafarina sy ny lalovay sy ny hanitra. Afangaroy tsara.
- Kapohana hisavovona "en neige" ny tapotsin'atody ary arotsaka sy afangaro moramora amin'iretsy aloha.
- Asiana mananasy voatetika eny antsefatsefany
- Asiana menaka ny lasitra "moule à cake" na asio "papier sulfurisé", dia arotsaka ao ny paty.
- Atao anaty lafaoro 180°C mandritry ny 40 minitra eo. Tsindromina amin'ny antsy ka rehefa mivoaka madio tsara ny antsy dia masaka izy izay
Mazotoa o
nahandron'i Bonbon Mamibé
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire