By Andry Rakotomavo
Confiture d'oignons
KAOFITIORA TONGOLO (CONFIT D'OIGNONS)
Tsara sady hafakely
Ny ampiasana azy :
- hohanina miaraka amin'ny "pain d'épices" sy atin-gana mifahy (foie gras)
- ampiarahana amin'ny fromazin'osy natao anaty "feuilletée"
- hohanina miaraka amin'ny "quiche" sy "tarte" masira isan-karazany
- hohanina miaraka amin'ny "rôti de porc"
ILAINA :
"vinaigitra balsamika" 4 sotro (manome tsiro sy fofo-manitra)
tongolo 6
menaka oliva 2 sotro fihinanana (na dibera)
siramamy 30 g
FIKARAKARANA :
1) Voasana ny tongolo dia tetehana boribory manify tsara
2) Arehatra malefaka ny afo, maka "casserole", atao ao ny menaka oliva na dibera, arotsaka ny tongolo voatetika ary aroina mandra-pahazo tongolo mamirapiratra sy mazava ( translucide).
3) Ampiana siramamy avy eo dia masahana kely 10minitra, avela hahazo loko kely.
4) arotsaka ny "vinaigre balsamique" dia avela hitanika amin'ny afo tena malefaka mandritry ny 50 minitra. Tokony ho ritra tsara.
5) Omanina ny "bocal" dia arotsaka ao izy mbola mamay, saromana dia ahohoka ny "bocal" mandra-pangatsiakany.
Fanamarihana :
- afaka soloina divay mena na koa "vinaigre de vin" ny "vinaigre balsamique"
- manan-danja be ilay "étape 2 sy 3" fa raha vao eo no ratsy dia tsy mety, satria ny vinaigitra na ny divay dia manajanona ny fahamasahan'ny tongolo émoticône smile efa tratra aho indray andro fa saika tsy hitako izay nanarenana azy dia notapohako rano sy noketrehana ela kokoa.
Mazotoa ary o !
Nahandron'i Vero Randriam fa ny sary nindraminy
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire