Sorbet vanille et glace vanille

432

"DESSERT GLACE : SORBET DE FRUITS ET GLACE VANILLE
 

ILAINA:
* Ho an'ny "SORBET DE FRUITS"
voankazo 500g (eto manga na frezy fa mety avokoa ny ankamaroan'ny voankazo)
siramamy 170g
rano 1 vera
ranom-boasary makirana 1

* Ho an'ny "GLACE A LA VANILLE"
tamenak'atody 5
siramamy 110g
kikina lavanila kely
"crème liquide" 240g

FIKARAKARANA :

* Ho an'ny "sorbet de fruits" :

- Manao "sirop" kely amin'ny siramamy sy rano
- Rehefa mangatsiaka io dia asiana ranom-boasary makirana kely
- "Mixer"-na ny voankazo, dia afangaro amin'ilay "sirop" teo
- Atao anaty "moule à cake" na izay fitaovana hitiavanao ny bikany
- Ampidirina anaty "congélateur" mandritry ny 2ora eo ho eo (tokony efa hivaingana)

*Ho an'ny "glace à la vanille" :

- kapohana tsara ny tamenak' atody sy siramamy sy kikina lavanila
- Avy eo kapohana kely koa ny "crème fraîche" na "crème liquide" dia afangaro amin'ilay voalohany. 
- Alaina amin'izay ilay "sorbet de fruits" tao anaty "congélateur" dia arotsaka 
eo amboniny io "glace" io, dia averina anaty "congélateur".

Fanamarihana : 

* Tsara kokoa raha ohatra ka ny hariva no manao azy dia 
amin'izay mivaingana tsara ny ampitso.
* Rehefa handroso azy, dia akasoka kely anaty rano mafana ny vodin"ilay lasitra nasiana azy dia mora miala izy.

nahandron'i Bao Rakoto