By Andry Rakotomavo
Poulet pané
POULET PANÉ na croquettes de poulet
Zavatra ilaina :
Elatrakoho izay sahaza
Thym
sira, dipoavatra,
saosy voatabia sy bazilika = 2 sotro fihinana
lafarina = 2 sotro fihinana ny ahy teto fa arakaraky ny habetsaky ny elatrakoho.
Potim-mofo na Chapelure
Atody = 1
Menaka fanendasana
Fikarakarana azy :
1. Rehefa voadio ny Elatrakoho dia zaraina 2.
2. Maka bol lehibe dia arotsaka ao ny Elatrakoho, ny thym, ny sira, dipoavatra, saosy voatabia sy bazilika dia afangaro tsara
3. Kapohina ny atody dia afangaro tsara ao anaty ny fangaro avy eo arotsaka koa ny farine dia mbola afangaro tsara.
4. Lasa maditidity eto ny fangaro.
5. Afanaina amin ny afo malefaka ny menaka.
6. Atao ao anaty lovia fisaka ny poti-mofo.
7. asoka tsirairay ao anaty poti-mofo ny fangaro dia avy eo endasina.
8. Naroso niaraka tamin ny salade sy voatabia .
Vita ny sakafo
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô
nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire