By Andry Rakotomavo
Croquette de cervelle
Croquettes de cervelle na atidohan-kena
1. Nahandron'i Anja Rahona Andrianaivo
Zavatra ilaina:
atidohan-kena
tongolo gasy
sakamalao kely
sira sy dipoavatra
lafarina
atody
poti-mofo na "chapelure"
menaka
Fikarakarana azy:
- tapatapahina ny atidoan-kena manta voasasa tsara
- tetehina majinika ny tongolo gasy sakamalaho ary alona amin'iny ny atidoha-kena
- asiana sira sy diapoavatra ary zava-maintso izay tiana voatetika majinika (kotomila, persila, tongolo maintso ...)
- maka vilia 3 ka asiana lafarina , atody voakapoka ary potimofo dia ampandalovina amin'ireo ny atidoan-kena voavolavola
- endasina amin'ny menaka mafana ary apetraka amin'ny taratasy na "essuie tout " rehefa vita
2. Nahandro sy sarin'i Onitriniaina Rova
Zavatra ilaina
atidohan-kena
atody 2,
kotomila,
tongolo maitso,
tongolo gasy,
sira sy dipoavatra
lafarina kely
poti-mofo na "chapelure"
menaka
Fikarakarana:
Ahandroina mivaingana 20mn ny atidoan-kena.
Esorina ilay hodiny manify ivelany iny dia potserina.
Afangaroy amin'ny atody 2, kotomila, tongolo maitso, tongolo gasy, sira, dipoavatra ary lafarina kely fotsiny mampitambatra azy.
Volavolao lavalava ary ampandalovy amin'ny vilia misy poti-mofo.
Endasina amin'ny menaka mafana ary apetraka amin'ny taratasy na "essuie tout " rehefa vita
Tsara ampiarahana amin'ny salade.
Mazotoa ary o!
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire