By Andry Rakotomavo
Vary endasina
Soumis par andry le mer, 01/27/2016 - 13:20
527
Atody sy vary endasina na "omelette de riz" na "frittata di riso"
Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy atody endasina
eto dia misy fangarony
Zavatra ilaina:
vary masaka,
atody,
menaka na dibera,
fromazy voakiky
sira,
dipoavatra raha tiana
voatabia saosy marihitra
Fikarakarana azy:
Kapohina ny atody dia asiana sira kely ary araraka ny vary efa masaka sy fromazy ary voatabia saosy kely hanome loko , afangaro tsara dia endasina.
Mila atao maina tsara vao avadika.
Lanin'ny ankizy foana io na inona atao ao anatiny na inona
Nb: azo atao "frittata de legumes" , na korzety , na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire