By Andry Rakotomavo
Voatabia voasesika
VOATABIA VOASESIKA
ZAVATRA ILAINA :
- voatabia madinika
- Fromage blanc (na fondu na fromage vache qui rit)
- saumon na thon na nofo-trondro
- sira
- kotomila kely na izay zava-maintso tiana
- mayonaise raha tiana
Fikarakarana azy :
- Atao anaty « bol » ny fromazy dia potehina asiana kotomila na izay zavamaintso tiana
- Arotsaka ny saumon na nofo-trondro izay tiana efa voapotika tsara, afangaro tsara
- Atao miaraka daholo ireo voalaza ireo afangaro tsara *(azo asiana sira fa tsy voatery an)
- Didiana ny voatabia tsy atao amorony loatra
- Avadika anasorana kely ny lohany (mba hipetraka tsara)
- Esorina ny ao anatin'ny voatabia.
- Raha tia « mayonnaise »dia asiana kely ary afangaro tsara,
- asesika ao anaty voatabia ary alahatra ambony vilia.
Mazotoa o
Nahandron'i Hanta Andrianina
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire