By Andry Rakotomavo
Anana sy lardons
Soumis par andry le mar, 02/09/2016 - 13:16
565
ANANA sy LARDONS
ILAINA:
"lardons" 100g (na pancetta)
menaka oliva 1sotro
tongolo gasy
anana (kale -karazana chou frisé maitso) na rappini, na épinard na anandrano
sira
FIKARAKARANA :
- Endasina ny "lardons". Ariana ilay menaka mivoaka avy ao. Asiana menaka oliva 1 sotro.
- Arotsaka ny tongolo Gasy araka izay tiana. Izaho aloha dia tia ka manara-po manisy betsaka.
- Arotsaka ny anana. Eto dia kale no nataoko ( karazana chou frisé maitso be izy io. Afaka mampiasa rappini koa, na épinard na anandrano. Tsy hatao masaka be fa vao somary mihena (mifintina) dia vonoina ny afo.
- Aza adinoina ny sira sahaza.
Mazotoa ô! Mety daholo na vary na pâte no hihinanana azy!
Nahandron'i Lova Ramboarisata
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire