By Andry Rakotomavo
Flan voatavo
Soumis par andry le mer, 04/06/2016 - 00:50
654
TSINDRI-TSAKAFO na ODY AMBAVA FO : FLAN VOATAVO
Zavatra ilaina:
voatavo 500g
ronono 500ml
atody 2
siramamy 100g
hanitra combava
lafarina 125g
dibera 50g
Fikarakarana
Potsehina halemy ny voatavo rehefa masaka, arotsaka ny siramamy, dia alefa ny farine voasivana, kapohana miaraka ny atody sy ny ronono ary ny dibera natsonika dia araraka anaty voatavo, aroina hifangaro tsara, arotsaka ny kikina combava
Atao anaty lasitra, silicone no tena mety fa raha tsy misy dia hosorana menaka ny lasitra dia araraka ao ny paty
Ampidirina lafaoro 200° mandritra ny 30mn
Andrasana hangatsiaka vao aroso
Mazotoa o
Nahandron'i Anjara Fanasina, fampiharana nataon'i Aina Rakotoarisoa
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire