Brochettes

710

Miarahaba antsika rehetra indray ary ô

KITONOTONO : BROCHETTES A LA PORTUGAISE sy BROCHETTES FO-KENA

 

zavatra ilaina ho an'ny brochettes à la portugaise :

Nofon'akoho (azo atao nofon-kena izay misy an)

Chorizo (tsy nasikao fa tsy nanana aho )

Divay fotsy (Vin blanc sec)

Menak'oliva

Persily voatetika

ravina " laurier"

Tongolo gasy voakiky

Piri-piri na harissa (na sakay ) azo tsy asiana

dipoavatra

Korzety (azo atao legioma hafa fa io no nisy )

Sira

 

Fikarakarana ny brochettes à la portugaise :
 

- Rehefa voadio tsara ny nofon'akoho dia tetehana somary vaventy dia atao anaty bol lehibe iray

- Arotsaka ao ny divay fotsy, ny menak'oliva, ny persily, ny ravina laurier, ny Piri-piri na harissa, ny dipoavatra ary tsy adinoina ny sira. Dia afangaro tsara

- Diovina ny korzety dia tetehana somary lehibe ihany koa, somary ampangotrahana 5 minitra. Ka rehefa mangatsiaka dia afangaro ao amin ilay fangaro teo aloha.

- Afangaro tsara ireo rehetra ireo, dia saromana tsara dia avela hilona ela be. Ny ahy io indray alina sy mandram-panatono

- Alohan ' ny hanatonoana azy, dia atsofoka amin' ny vy brochettes araka izay tiana

 

Zavatra ilaina ho an'ny brochettes fo-kena :

Fo-kena

Sira

Tongolo gasy voakiky

Sakamalao voakiky

Menaka kely

 

Fikarakarana ny brochettes fo-kena:

- Rehefa voadio tsara sy voakaraka ny fo-kena dia tetehana somary vaventy

- Maka bol iray lehibe dia afangaro ao daholo ny fo-kena,ny sira, ny tongolo gasy sy ny sakamalao voakiky ary ny menaka dia afangaro tsara

- Saromana tsara dia avela hilona ela be (ny ahy teto indray alina sy mandram-panatono

- Atsofoka ao amin" ny vy brochettes alohan'ny hanatonoana azy

 

Sauce voanjo :

- Totoina ny voanjo masaka. Tetehana ny tongolo

- Endandasina maina ny tongolo, avy eo arotsaka ny voanjo dia afangaro tsara, asiana rano avy eo ary afangaro tsy mijanona amin'ny sotro hazo mandra pahazo ny rihitra ilaina.

 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur

 

Catégorie: