By Andry Rakotomavo
Mofomamy voatavo
Soumis par Andry Mamina le lun, 07/18/2016 - 17:16
728
Mofo mamy voatavo masak'entona
Zavatra ilaina:
- Atody 5
- siramamy 150g
- lafarina 150g
- voatavo masaka mitovitovy fatra amin'ny lafarina
Fikarakarana azy:
- Sarahina ny tamenaka atody sy tapotsiny.
- Kapohina ho lasa fotsifotsy be ny tapotsiny.
- Arotsaka ny siramamy dia kapohina ho levona tsara
- Arotsaka ny tamenany ary hafangaro tsara.
- Arotsaka ny lafarinina, afangaro tsara. Arotsaka ny voatavo efa masaka ary nopotsipotserina.
- Atao anaty lovia jobo mahazaka hafanana tsara dia andrahona atao "bain marie"
Araka ny habean'ny lasitra moa ny fotoana handrahoana azy.
Mazotoa o
Nahandron'i Rafalimanana Aina Ratianarivo
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire