By Andry Rakotomavo
Lasary laisoa
LASARY LAISOA
ZAVATRA ILAINA
- Laisoa
- tongolo be
- tongolo gasy(tsy atao be)
- tongolo maintso
- kotomila
- sira
- dipoavatra
- menaka oliva
- voasary makirana
FIKARAKARANA AZY
- sasana ary tetehina madinika ny laisoa
-.maka bol dia asiana ranomboasary makirana sy menaka oliva ary ireo hanitra rehetra voatetika madinika : tongolo be, tongolo maintso ary tongolo gasy sy sira kely, tsy adino ny dipoavatra ary siramamy kely manome tsiro azy.
- afangaro avokoa ary dia azo aroso
NB: azo atao koa ny mampangotraka rano misy sira kely ary rehefa mangotraka dia arotsaka ny laisoa voatetika, ary avela hiketrika kely 2 minitra eo dia tatavanina ny laisoa ary avela mangatsiaka dia asiana ilay saosy voasary makirana, saingy tsy dia tsara ho an'ny marary vavony ity.
Mazotoa o
Am-pitiavana be
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire