By Andry Rakotomavo
Croute suisse
SAKAFO MAHALEO TENA : CROUTE SUISSE
ZAVATRA ILAINA:
mofo (campagne, blanc, mie)
"gruyère" rapé - fromazy kely
didina "jambon" manify
moutarde :1 sotro
divay fotsy (tsy voatery)
"créme fraîche liquide" na ronono sahabo 25 cl (handemana ny mofo)
"fromage à raclette" (arakaraka ny tiana ampiasaina na sahabo didy 2 isan olona )
voatabia ,
tongolo be
atody 1 isan.olona
FIKARAKARANA AZY:
- afanaina10 minitra mialoha ny ny lafaoro (220°)
- maka lasitra mandeha lafaoro,
- hosorana moutarde ny mofo ary avy eo lemana amin'ny "creme fraiche" sy divay mifangaro ( afaka soloina ronono ihany koa ny creme fraîche)
- alahadahatra anaty lasitra ireo dia apetraka ny jambon ,
- rakofana "fromage à raclette",
- asiana didina voatabia sy tongolo boribory,
- rarahana "gruyère rapé" kely sy dipoivatra vovony,
- Ampidirina anaty lafaoro efa mafana 220° dia andrahoina 10 minitra ao ,
- vita izay dia avoaka kely ary vakiana eo amboniny ny atody dia averina ampidirina anaty lafaoro indray ka andrahoina mandrapahamasaka ny atody
mazotoa homana o
Nahandron'i NyÉko Soké Zita
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire