By Andry Rakotomavo
Poulet roti 2
POULET RÔTI
ZAVATRA ILAINA:
Moutarde
saosy soja
vinaingitra
siramamy
tongolo gasy
sira vaingany
Akoho
menaka
FIKARAKARANA AZY
Macération:
atambatra ao anaty koveta lehibe ny moutarde 1 sotro fihinanana, saosy soja 1 sotro fihinanana , ny vinaingitra ½L , ny siramamy 4 sotro fihinanana, tongolo gasy voatoto,ary vaingan-tsira kely dia kapohana amin'ny fouet mba hifangaro tsara.
Didina kely ny nifon'akoho dia anitrihana hasina tongolo gasy.
Alefa ao amin'ilay "macération" mandritry ny alina tontolo ny akoho, avadibadika. Ny maraina vao asiana menaka tapaky ny sotrobe (tsy miditra tsara any anatin'ny nofon'akoho ny macération raha alefa aloha ny menaka), osorana vovon-tsira kely ny vatan'ilay akoho sao tsy ampy ilay natao tamin'ny "macération".
Andrahoina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha 200 degré, ary atao afo ambony-ambany. Osorana "macération" matetitetika amin'ny "pinceau" ilay akoho.
Teto 2ora 30minitra ny faharetan'ny fandrahoana satria lehibe ny akoho.
NB: Azo atao tsara manao azy ity amin'ny vilany tsotra na lafaoro vilany ihany koa , izany hoe afo ambany dia avadika ny takotra dia asiana afo koa eo ambony
Mazotoa o !
Nahandron'i Nalisoa Randria
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire