Makamba frity 2

866

LAOKA NA TSAKITSAKY : CREVETTES FRITES - MAKAMBA FRITY

 

ZAVATRA ILAINA

makamba

lafarina,

sira,

voasary makirana,

menaka fanendasana

 

FIKARAKARANA AZY:

tetehina ny makamba efa voadio tsara, dia atao anaty "sachet" lehibebe, rarahana lafarina ao ary dia hidina hibotsina tsara toy ny balon ary ahotsakotsana tsara, eo izy dia mandray ny lafarina mitovy daholo fa tsy mitazona izay mihoatra loatra. (azo atao anaty boaty lehibe koa dia atao toy io ihany)

maka vilany avo tsy dia lehibe loatra fa tsy lapoaly fisaka, hafanaina tsara ny menaka mandifotra azy dia endasina tsikelikely mba tsy hampiova ny maripana loatra, tsy atao elabe fa mora masaka, noho izany tena vao miova loko dia esorina, atao ambony "essui tout" na taratasy "emballage" ireny mba hifoka ny menaka dia aroso mafana miaraka amin'ny voasary makirana .

Mazotoa indray ary o

Andry Mamina