Accra de morue

1021

TSAKITSAKY: MOFO LAMORIA - ACCRAS DE MORUE – FRITELLE DI BACCALA

ZAVATRA ILAINA:

Mourue – Baccalà 200g
lafarina 100g
rano 150 - 170g
Lalovay kely
curry
atody 1
Kotomila
tongolo maintso
sakay na dipoavatra raha tiana
menaka fanendasana
Azo asiana tongolo gasy na tongolo be “echalotte”, ary voasary makirana ilay maintso "lime" raha tiana
 

FIKARAKARANA AZY

Afaka misafidy amin'ireto fomba roa ireto 

1- lamoria masaka no ampiasaina (eto nahandro napolitana)

Atao anaty rano mangotraka 15 min eo ny “morue” mba hiala ny sira
Avela mangatsiatsiaka dia esorina amin’ny tanana ny taolana sy ny hoditra ary potipotehana (azo totohina amin'ny "mixeur")

2- lamoria manta (Niry Rafi)
Alona anaty rano mangatsiaka ny lamoria mandritry ny 2 andro ka ovaovaina foana ny rano 
Avy eo totohina amin'ny "mixeur" atao malemy tsara

Tetehana ny tongolo maintso, kotomila, ny tongologasy sy tongolo be , asiana sira raha tsy ampy, dipoavatra na sakay, curry sns raha tiana
Afangaro avokoa ireo

Manao “pâte à beignet” afangaro ny lafarina sy ny rano atao tsikelikely fa mila marihitra mba hahatonga azy hikarepoka rehefa endasina ary tsy ho makina loatra.
Arotsaka ao ny “morue” dia afangaro tsara. Farany vao arotsaka ny lalovay (nafangaro voasary makirana "lime" raha tiana)
Afanaina ny menaka dia endasina ka raisina amin’ny sotro dia arotsaka. Rehefa mena tsara dia apetraka ambony taratasy na “essui tout” mba hitsika ny menaka. Aroso mafana no tena tsara aminy.

 

Nahandron'i Niry Rafi 

 

Ingrédients: 
Catégorie: