Akoho amin'ny divay

536

LAOKA RITRA : "AKOHO AMIN'NY DIVAY" 

ZAVATRA ILAINA ho an'olona 6
nofon-damosin'ny akoho (blanc de poulet) 3 (mety koa na akoho manontolo , na feny fotsiny)
tongolo be 1
tongolo gasy voatoto
karaoty 2 lehibe (afaka atao 4 raha tiana hisy fangarony kely) 
ravintsara na "laurier"1 (mitovitovy ireo)
thym
sira
lafarina 1 sy 1/2sotro fihinanana
siramamy 1 sotro kely
divay mena 200ml
lara na « lardons » 150g

Tsara raha lomana 6ora na indray alina mialohan' ny handrahoina azy

FIKARAKARANA AZY :

- Atao anaty lovia jobo lehibe tsara ny henan'akoho, tetehana vaventy ny karaoty sy tongolo be , tongolo gasy voatoto, asiana sira, arotsaka ny siramamy kely, apetraka ny ravintsara sy thym, arotsaka ny divay , saronana tsara ary avela hilona 6 ora fara-fahakeliny.

- Aorian'izay, sarahana ny ranony sy ventiny
- Afanaina ny menaka, arotsaka ny nofon'akoho ary atokana ny karaoty sy fangaro hafa , avela ho mendimendy kely, asiana lafarina ary aroina tsara, 
- Arotsaka ny fangaro tavela (tongolo, karaoty) avela hiempo kely, arotsaka ny divay ary avela hitanika amin'ny afo malefaka
- Rehefa hita fa malemy ny hena ( tsy avela hiparitaka) dia arotsaka ny lara, avela hitanika kely, raha toa ka matsora loatra ny saosy dia asiana maizena kely mba hampatevina azy
- Esorina afaka 5minitra ka aroso miaraka amin'ny vary fotsy.

mazotoa o !

Nahandron'i NyÉko Soké Zita

 

Catégorie: