Akoho atono

793

KITONOTONO – AKOHO ATONO SY LASARY

ZAVATRA ILAINA:

Akoho
sira
Menaka
dipoavatra
voasary makirana
 

FIKARAKARANA AZY:

Sasana ny akoho dia tetehana araka izay habeany tiana
Manao saosy : ranomboasary makirana sy menaka dia asiana sira sy dipoavatra
araraka amin’ny akoho, hosorana tsara daholo dia alona eo fara fahakeliny ora 1
Atono amin’ny afo antonony ary saromana rehefa manatono azy dia tondrana ilay saosy sy rano kely mba tsy ho maina fa ho masaka tsara ny anatiny dia avadibadika.
Nohanina tamin’ny lasary kokombra sy voatabia voakiky nasiana sira sy ranomboasary makirana.

Miammm
Mazotoa o 

Catégorie: