Akoho sesika

1095

LAOKA : AKOHO SESIKA

Averina zaraina ity nahandro ity izay nozarain'ny namana teto efa ela ary miendrika "poésie"; anio kosa dia atao ho mora azo kokoa

ZAVATRA ILAINA:

akoho iray lehibe voavoly
hena kisoa matavy
atody masaka 2 na 3
thym, persily, tongolo
dipoavatra, sira

Fanosehana, fanjaitra be, kofehy

FIKARAKARANA AZY :

- Diovina ny akoho dia tatahana eo amin'ny kibony ary esorina ny atiny rehetra, esorina ny taolana, ny nofony. Tsy esorina kosa ny elany sy ny foto-peny.

- Totoina ho potika ny nofony rehetra, dia lanjaina avy eo.
- Maka hena kisoa voadio dia atao mitovy lanja amin'ilay nofon'akaho voatoto teo ary totoina ihany koa.

- Afangaro amin'izay izy roa ary asiana sira sy ny hanitra rehetra, dia asesika amin'ny hoditr'akoho. Atao eo afovoany ny atody 2 na 3.

- Zairina amin'izay mba hitambatra, tsy atao goragora.

- Atao anaty vilany, dia asiana rano mandifotra mba hahazo tsiro tsara ary andrahoina amin'ny afo antonony mandra-paharitran'ny rano.

Ny taolana afaka hanaovana rò fa tsy ariana.
Mazotoa o!

nahandro sy sarin'i Lalao Mamiarisoa Ralaitsirofo 

25/05/2016 jereo recette en poesie 

Ingrédients: 
Catégorie: