Akoho sy dibera

828

AKOHO SY DIBERA
 

ZAVATRA ILAINA:

akoho 500g (nofon'akoho)
menaka 1 sotro fihinanana
atody 1 
tongolo gasy voatoto
sira sy dipoavatra
potimofo na Chapelure 
dibera 100 g 

FIKARAKARANA AZY:

- Tetehana ny akoho atao lavalava fa tsy tsy atao manify loatra na matevina loatra 
- asiana sira, dipoavatra, tongolo gasy, atody ary afangaro tsara dia avela hilona eo 45 minitra
- Hosrorana menaka ny vilia na lasitra miditra lafaoro
- Atao anaty vilia ny potimofo na chapelure a ampandalovina ao aloha ny akoho vao alahatra ao anaty lasitra
- tetehana ny dibera dia apetraka eny anelanelan'ny akoho eny 
- Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha , 200*C mandritry ny 30 minitra na 40 minitra eo

Mazotoa o 

Nahandron'i Syndie Ho

Catégorie: