Akoho voasesika

814

LAOKA : AKOHO VOASESIKA (ANATY LAFAORO)

Zavatra ilaina :
nofon-damosin'akoho (escalope de poulet)
menaka,
sira,
dipoavatra
karaoty
fromazy

Fikarakarana azy :
- Alaina ny nofon-damosin'akoho dia didiana eo afovoany ary velarina, asiana menaka, sira ary dipoavatra
- Asiana karaoty voavofy sy fromazy ao anatiny dia akatona.
- Atao anaty plat dia alefa anaty lafaoro 200°C mandritry ny 30 na 40 minitra arakaraky ny fahitanao sy ny fitiavanao azy.

Fanamarihana : Azo soloina olatra( champignon), harikaovera, ... ny sesika.

Mazotoa o!

nahandron'i Syndie Ho

 

Catégorie: