By Andry Rakotomavo
Akondro sy trondro amin'ny voanio
AKONDRO SY TRONDRO @ VONIO
Zavatra ilaina:
- 2 lafina Akondro manta
- 1 Vonio
- Sira kely
- 1 votaby
- 2 Tongolo mena
- 1 sotrokely poivre
- 4 Trondro (zay tinao)
Fikarakarana ny voanio:
Kikisana @ “ambozy”ny voanio , rehefa vita dia maka rano matimaty 1l araraka ao anatin’ilay voanio dia fiahana matetika. Rehefa hita fa mivoka tsar any lait de coco dia maka tamis, tamisena ilay lait de coco dia atao anaty bol dia atokana , iny no lohany lait de coco.
Mbola maka rano 1l indray araraka ao @ ilay faikany voanio nakana ny lohany teo. Fiahana matetika mandra pazahoana lait de coco fanindroany .
Fikarakarana ny trondro:
Diovina ny trondro dia atao anaty vilany asiana sira+votaby+tongolo+rano kely, anao rona trondro manko isika eto.
Fikarakarana ny akondro:
1 . Voasana ny akondro manta , somary kikisana kely @ antsy mba iala ny loto , sasana madio tsara , zarana roa mitsangana dia vakina roa mitsivalana. Akondro 1 zany manome tranche 4, atao anaty vilany.
2. Asiana rano kely ½ l dia apetraka ambony fatana.
3. rehefa mangotraka tsara dia araraka ao natin’ilay vilany misy akondro ny lait de coco faharoa.
4. Rehefa ita fa masaka ny akondro dia araraka ao ny rona trondro rehetra(votabia sy tongolo ao daholy) tsisy avela. Dia alaina ny trondro masaka ny nofony ihany no alaina.
5. Arona tsara dia araraka ao ilay lait de coco voalohany.
6. tsy saromana intsony ny vilany, avela mangotraka tsara , ny sira zany zay mety aminao.
MAZOTOA o
nahandron' i Tinie Said
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire