Anana sy lardons

565

ANANA sy LARDONS

 

ILAINA:

"lardons" 100g (na pancetta)

menaka oliva 1sotro

tongolo gasy

anana (kale -karazana chou frisé maitso) na rappini, na épinard na anandrano

sira

 

FIKARAKARANA :

 

- Endasina ny "lardons". Ariana ilay menaka mivoaka avy ao. Asiana menaka oliva 1 sotro.

- Arotsaka ny tongolo Gasy araka izay tiana. Izaho aloha dia tia ka manara-po manisy betsaka.

- Arotsaka ny anana. Eto dia kale no nataoko ( karazana chou frisé maitso be izy io. Afaka mampiasa rappini koa, na épinard na anandrano. Tsy hatao masaka be fa vao somary mihena (mifintina) dia vonoina ny afo.

- Aza adinoina ny sira sahaza.

Mazotoa ô! Mety daholo na vary na pâte no hihinanana azy!

 

Nahandron'i Lova Ramboarisata

 

Catégorie: