Artichaut frit

540

ARTICHAUT FRIT

ZAVATRA ILAINA:

Artichaut
lafarina
atody
sira
menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY

Esorina ilay ravina mafy ivelan’ny artichaut misy loko volo-parasy iny ary ny hoditra matevina amin’ny fotony,
Rehefa izay dia didiana manify manaraka ny halavany , ka izay vita dia atao anaty rano misy lafarina betsaka na koa misy ranomboasary makirana , izay ilaina mba tsy hampiova ny lokony ho lasa maintsy
Rehefa vita daholo dia ariana ny rano misy lafarina ary dia asiana lafarina maina indray, atao mahazo tsara daholo ny faritra rehetra,
Afanaina ny menaka tsy atao mamay loatra
Kapohana ny atody asiana sira , ka alaina ny artichaut misy lafarina dia somary esorina izay mihoatra ary asoka tsara ao anaty atody dia arotsaka ao anaty menaka.
Atao afo malefa fa tsy mahery satria manjary may ny ivelany nefa tsy masaka ny ao anatiny
Rehefa vita dia atao ambony taratasy na “sopalin” mba hitsika ny menaka ary aroso mafana

Ho an’ny italiana moa dia karazana tsakitsaky izy ity nefa azo atao laoka tsara.

Mazotoa o

 

Catégorie: