Ati-kena sy tongolo be

196

Atinkena sy tongolo be

Zavatra ilaina :

Atinkena,
tongolo be (ny oignon mena no  tena tsara ),
menaka ,
sira,
dipoavatra kely,
kotomila raha tiana

Fikarakarana azy :

endasina ny tongolo voatetika lavalava atao maro an fangaron-daoka izy eto (tongolo mena no tena tsara), rehefa ritra ny ranony natoraly dia asiana rano 1 vera dia atao afo malefaka ho masaka ny tongolo be.
Mandritra izany dia sasany ny atinkena ary esorina ny hozatra sy ny hodiny na fonony manify iny fa iny manamafy azy.
rehefa masaka ny tongolo dia arotsaka ny atinkena ary asiana sira sy poivre kely, vao mivadika ny loko dia vita fa manjary lasa mafy be, eo amin'ny 5 min eo isaky ny lafiny iray. Rarahana kotomila dia vita.
Mazotoa o

 

Catégorie: