Atinkena sy ovy

51

Atin-kena sy ovy

Zaraina ampifaliana fa tena sady tsara ny laoka no tsara koa ny poesie : 

Ity indray ny nataoko androany
Aza gaga na koa manontany
Fa nanfangaroko ny manta sy masaka
Dia ny radis sy ovy miparasaka!

Pomme maitso no manasaraka azy
toy ny fefy na koa toa barrage,
Kanefa azo miaraka hohanina
tena tsara sy mampisonanina!

ny ovy efa masaka no tetehina indray
avy eo mbola endasina tsy atao may
Ary hatokana sy avela hanitsinitsy
Dia endasina ny foie de génisse!

Asiana tongolo oignon mba ho manitra
Ary didiana ilay foie @ antsy maranitra
ao anaty lapoaly ihany no anaovana an'io
Mba ampivoaka ny ranony fa tadidio!

Ka rehefa iny fa mendy izy roa
dia ao ilay ovy efa mendy no arotsaka koa!
Aza asiana question na koa filirolirony,
Satria ny anton'izay dia mba hakàny ny tsirony!

Avy eo dia alaharo ao anaty lovia,
Dia mazotoa homana na bon appétit !!!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: 
Matériels: