Atody sy anandrano

761

LAOKA : OMELETTE CHINOISE : atody sy anandrano
 

Zavatra ilaina :
atody 3
anandrano 1 fehezana
voatabia 1
sira
menaka 4sotro eo

Fikarakarana azy :
- tangosana sy diovina ary tetehana madinika ny anandrano, tsihifina tsara
- Afanaina anaty lapoaly ny menaka, arotsaka ny anana, sira , voatabia voatetika, somary endandasina
- rehefa mifintina dia arotsaka ny atody voakapoka hanenika ny lapoaly
-andrasana ho mendy ny lafiny iray, dia avadika. Vita.

Ilaofana sosoa, na vary maina, miam
Afaka ovaina hafa ny anana a : korzety / sosety / karaoty voakiky/ ovy/ paty / sakamalaho sy tongolo / sardines /.... , "frittata" no fiantsoan-drizareo Italiana azy.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: