Atody sy Jambon ary fromazy

642

SAKAFO MAHALEO TENA na LAOKA na FANOKAFAM-BAVONY : 
Atody sy Jambon ary fromazy "omelette jambon fromage" na "frittata di prosciuto e formaggio"

Afaka tetehina eto ny jambon na koa velarina lehibe

Zavatra ilaina:

atody 2
menaka na dibera,
jambon 
fromazy "parmesan" voakiky 
tongolo maintso
sira,
dipoavatra raha tiana

Fikarakarana azy:

Tetehina mandinika ny tongolo maintso , 
tetehina lavalava ny jambon ary kikisana ny fromazy
Kapohina tsara ny atody dia afangaro ao ny tongolo maintso sy ny fromazy ary ny jambon voatetika dia haroina tsara, asiana sira sy dipoavatra raha tiana.
Mila atao maina tsara vao avadika. 
Aroso mafana, azo atao laoka nefa azo atao tsakitsaky koa tetehina en dé na ahorona toy ny tsihy dia tetehina boriboryy na koa dia atao amin'ny piquet toy ny "cocktail" elanelanina voatabia na "cornichon".

NB: azo atao "frittata de legumes", na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o

Catégorie: