Atody sy tongolo ary sardine

588

SAKAFO MAHALEO TENA na LAOKA na FANOKAFAM-BAVONY : Atody sy tongolo ary sardine na "omelette de sardines aux oignons" na "frittata di cipolla"​

Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy atody endasina 
eto dia misy fangarony

Zavatra ilaina:

tongolo be 3
atody 2
menaka na dibera,
sardine 1 boaty
sira,
dipoavatra raha tiana

Fikarakarana azy:

Tetehina manify kely ny tongolo be ary endasina amin'ny menaka oliva kely atao afo malefaka dia avela hiova loko mihitsy.
Harona matetika fa mora miraikitra satria manify na dia malefaka aza ny afo.
Esorina ny menaky ny sardine diapotehina majinika
Kapohina tsara ny atody dia afangaro aony sardine ary haroina tsara dia araraka eo ambon'ilay tongolo efa masaka dia avela hitambatra tsara. Mila atao maina tsara vao avadika. 
Aroso mafana, azo atao laoka nefa azo atao tsakitsaky koa tetehina en dé dia atao amin'ny piquet toy ny cocktail elanelanina voatabia na cornichon. 

Nb: azo atao "frittata de legumes", na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o

Matsiro be fa mazotoa o !!!

Catégorie: