Aubergine grillé

526

Zaraina am-pitiavana hatrany 

AUBERGINE GRILLE'

mora sady tsara , maivana , mahasalama hatrany satria tena recette "vegetarien" koa

Zavatra ilaina :
Aubergine, menaka oliva, sira, tongolo gasy, persil

Fikarakarana azy :
-Tetehina fisapisaka manaraka ny halavany ny aubergine. Asiana sira dia avela hipetraka kely hanary ny rano ao anatiny 
- fafana tsara ary dia atono kely avadibadika tsy voatery ho masaka fa vao miova loko dia vita satria mora masaka. 
- saromana izay vita mba tsy ho maina loatra
- rehefa vita daholo dia asiana tongolo gasy sy persil kely voatetika majinika ary menaka oliva dia aroso

Fanamarihana : 
- raha tiana dia azo asiana voasary makirana na koa vinaingitra.
- fihinana miaraka amin'ny hena na trondro izy ity 
- Azo ovaina koa ny zava-manitra miaraka aminy araka izay tiana : kotomila, tongolo maintso, menthe sns

Mazotoa indray o

 

Catégorie: