Bajia 2

638

LAOKA na TSAKITSAKY : BAJIA

Zavatra ilaina:

Voanemba 1/2kg
Lafarinina 1/4kg
Kotomila 200ar
Tongolo maintso 200ar
Sakamalao 100ar
Tongolo gasy 100ar
Menaka 1/4L
Sira

Fomba fanaovana azy:

Andrahoina ny voanemba(tsy atao masaka loatra)
tsihifina ary totoina avy eo
Rehefa vita dia atao ao anaty koveta
Arotsaka ny lafarinina
Sasana ny kotomila sy tongolo maintso dia tetehina majinika kely dia arotsaka
Voasana ny sakamalao sy tongolo gasy dia totoina ary arotsaka
Asiana sira izay sahaza dia hafangaro tsara daholo
Raha marihitra loatra dia asiana rano kely

Fomba fanendasana azy:

Hafanaina ny menaka
Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka tsikelikely arak'izay habeany tiana
Atao malefaka ny afo mba hahamasaka tsara ny ao anatiny
Azo atao laoka sy atao ody ambava-fo

Mazotoa homana daholo ary ee

Nahandron'i Anja Anjafitia

 

Catégorie: