Bajia voanemba

Portrait de Angie
1178

Miarahaba am-pifaliana

Bajia voanemba indray no aroso ho antsika eto, tsy misy fatra moa fa araka ny tiana ampiasaiana avokoa.

Efa misy karazany maro ihany koa ato amin'ny vohikala. 

BAJIA VOANEMBA

ZAVATRA ILAINA:

voanemba,
sira,
poarao (poireaux),
sakamalaho
tongolo gasy
carry
dipoavatra
menaka hanendasana azy

FIKARAKARANA AZY: 

- aloana rano mandritra ny alina ny voanemba.
- totohina amin'izay fitaovana misy ao aminao na laona na fitotoan-kena na lamasina "robot"
- Tetehina ilay poarao sy tongolo gasy ary sakamalaho dia asiana carry sy dipoavatra ary sira
- angaro aminilay voanemba voatoto
- volavolaina araka izay endriny tianao na boribory fisaka, na lavalava.
- endasina  
 

Fanamarihana:

afaka asiana : atody, lafarine kely, na toto-kena koa arakarak'izay zava misy sy tiana. 

mazotoa indray 

Nahandro sy sarin'i Femi Andr'Ian 04.11.2020

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: