Ballotin de dinde farci

942

BALLOTIN DE DINDE FARCI
(Azo ovaina akoho ny vorontsiloza ; azo ovaina izay tiana ny sesika)

ZAVATRA ILAINA :
"escalope de dinde" 2 (manify arak'izay azo atao)
sira, dipoavatra
"fromage fondu" 4 na 5sotro fihinanana
"tomates séchées marinées" vitsivitsy

FIKARAKARANA AZY :

- Velarina ambony "film alimentaire" ny nofom-borontsiloza manify, asiana sira sy dipoavatra
- apetraka manaraka ny sisiny ny fromazy, atao eo amboniny ny voatabia maina, ahorona toy ny tsihy dia terena mafy amin'ilay " film alimentaire" sady ahodina amin'ny tenany ihany ilay "film" ho tery sy hihenjana tsara. Ampiana "film" intelo miantaona dia fatorana ny sisiny.

- Mampangotraka rano, ahena ny afo avy eo mba hijanona ho mangorovitsika ny rano (frémissante) dia alefa ao ny nahandro ary tanehana mandritry ny 20 minitra.

- VIta izay, dia tsihifina, hetezana ny lohan'ny "film" dia atosika hivoaka eo ny nahandro.

- Didiana amin'izay itiavana azy (boribory manify maro, na boribory avoavo dia zaraina 2 misopirana hatrany toy ny amin'iny sary)

- Naroso niaraka tamin'ny endin'ovy eto sy lasary karaoty ary "sauce barbecue" novidiana vita.

Araho an-tsary ny fikarakarana 
*** Afaka soloina nofon'akoho dia "ballotin de poulet" izy amin'izay
*** Sesika : Izay rehetra tianao atao atiny dia mety foana : legioma fotsiny ; totokena ; magret de canard sy fruits secs ; crevettes ; epinara ; jambon ; champignon, ....

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: