Banane plantain frit

500

Akondro be nendasina - chips de banane - banane plantain frit

Zavatra ilaina : 
Akondro be (plantain) manta na somasoma izay tiana 
Menaka fanendasana 
sira

Fikarakarana azy 
Voasana ny akondro ary tetehina manify amin'ilay fitetehana karoty sy ovy (tsy haiko ny anarany) fa tena fanaovana chips satria manify tsara ny tetika. 
Endasina amin'ny menaka mandifotra azy ary apetraka ambony taratasy na sopalin hoy ny fiteny rehefa vita hitsika ny menaka dia asiana sira, aroso avy hatrany

Azo aroso niaraka tamin'ny lasary manga sy zavoka ary masikita

Mazotoa

Catégorie: