Bananes flambée

332

Zaraina ampifaliana indray
Bananes flambées

zavatra ilaina:
akondro 4, 
siramamy 4 sotro 
dibera na menaka kely 
toaka gasy( izay tiana na be na kely )

Fikarakarana azy .

1. raha tiana hisy caramel ny akondro dia ny siramamy no atao aloha dia avela hitsonika moramora vao arotsaka ny akondro ary rehefa mahazo loko tsara tokony ho 2 minitra eo vao arotsaka ny dibera na menaka dia vonoina ny afo ary rarahana toaka gasy dia tselarana afo, rehefa maty ny afo dia vita

2. raha tsy tiana indray ilay loko marron caramel dia alefa aloha ny menaka kely na dibera izay vao arotsaka ny akondro avela 2 minitra eo ary dia rarahana siramamy, vonoina ny afo dia araraka ny toaka gasy ary tselarana afo dia vita.

Azo hohanina amin'ny crème chantilly na chocolat na koa jus de citron kely 

Nb: Mety daholo rehefa mety toaka na whisky ireny aza. 

jereo ary ny sary 
Mazotoa indray o

Catégorie: 
Matériels: