Baranjely saosy

587

LAOKA : BARANJELY SAOSY - AUBERGINES SAUCES  - melanzane hoy ny italien. 

ZAVATRA ILAINA

baranjely,
tongolo be,
tongolo gasy
voatabia
kotomila
sira 
4epices ( na curcuma, cumin ),
basilika

FIKARAKARANA AZY

sasana tsara ny baranjely dia tetehina majinika efamira dia avela hipetraka eo hitsika ny rano ao anatiny ( na ora 2 aza vao maika tsara) mandrapanao ny zavatra hafa ao andakozia. 
Tetehina majinijinika ny tongolo be sy tongolo gasy , ka ny tongolo be no endakendasina voalohany , rehefa miova loko dia arotsaka ny tongolo gasy , asiana sira sy epices avy hatrany ny curcuma manome loko mavo tsara, fa ny cumin dia manome tsiro hafa mihitsy, raha tiana hisy loko mena kely dia ampiana voatabia ilay majinika nozaraina 4 fotsiny , arotsaka ny baranjely ka afangaro dia ampiana rano tapaky ny vera dia haroina tsara dia saromana ho masaka, tsy atao afo be. Rehefa ho masaka vao asiana basilika dia vonoina ny afo. 

FANAMARIHANA:

Azo hohanina amin’ny vary , paty, mofo, hena na trondro.
Azo atao amin’ny vary na pate ho an’ny ankizy dia totohina aloha ary ampiana fromage voakiky fa dia laniny tsara. 

Mazotoa o
Nahandro sy sarin' i Andry Mamina

 

Catégorie: