Beignet de yaourt au chocolat

693

Ody am- bava fo na gouter :  beignet de yaourt au chocolat

Zavatra ilaina:
- Yaourt 3 (fa tsy ronono) asina levure de boulanger (na 25cl bière)
- 1 c à s menaka
- siramamy izay tiana
- sira 1 tsongo
- 500g lafarina
- pepite de chocolat
- menaka
- atody 2 (raha tiana)
- lavanila (raha tiana)
- sucre glace 

Fikarakarana azy:
atao anaty vilia bol ny lafarina dia asiana lavaka eo ampovohany, arotsaka ao anatin'io ny siramamy dia afangaro.
Araraka tsikelikely ao ny atody voakapoka sy ny yaourt mandrapahazoana paty marihatra tsy misy lafarina mivaingambainga,
Araraka ny "pepite de chocolat"
Rehefa mitsoranodranoka ny pâte dia endesina amin'ny menaka mafana fa tsy mamay be, ary apetraka ambony taratasy hitsika tsara ny menaka vao aroso,
azo asiana sucre glace, hanome bika sy tsiro azy, "fondant" na hoe mitsonika tsara ilay sokolà anatiny dia tsara be

NB: raha tiana dia azo asiana atody dia hanesorana ny yaourt. 
Mazotoa o

Nahandron'i Sandyvon Anjaranantenaina

 

Catégorie: