Beignets au sésame

951

ODY AM-BAVA FO na SAKAFO MARAINA : BEIGNETS AU SESAME

ZAVATRA ILAINA:

lafarina 250g + 50g
lalovay simika 1sotrokely misavovona
siramamy 100g
sira 1/2 sotrokely
atody 1
rano mangotraka 2sotro + rano mangatsiaka (80ml eo)
karibonetra 2 tsongo
sésame fotsy

FIKARAKARANA AZY:

- Afangaro ny lafarina 250g, ny levure, ny sira ary ny atody

- Atao anaty kaopy ny karibonetra dia tondrahana rano mangotraka kely. Avy eo asiana rano mangatsiaka.

- Alefa ao ny atody dia kapohana izy rehetra ary arotsaka amin'ny fangaro teo aloha avy eo. Alefa tsikelikely ka rehefa mahazo paty mitambatra dia ajanona ny rano (arakaraky ny lafarina fa misy mifoka rano be)

- Avela hilona 30 minitra, avy eo zaraina bola madinika maro dia volavolaina (eto no ilaina ilay lafarina 50g afafifafy raha lasa nalemy loatra ny bola) ary ampandalovina sésame. Somary fisahana avy eo fa mbola hitombo.

- Endasina amin'ny menaka mafana dia tondratondrahana menaka tsara.

Mitombo tsara fa tsy miparasaka, malefaka matsiro, mitovitovy amin'ny mofo baolina, tsy mandany menaka

Mazotoa o!

Nahandron'i Lah Randria

 

Catégorie: