Biscuit au citron

890

BISCUIT AU CITRON

Zavatra ilaina:

- dibera 100 g 

 - lafarina 150 g 

 - lalovay simika na levure chimique 1cac

 -siramamy 100g

- atody 2

- voasary makirana 1
 

 

FIKARAKARANA AZY :
 

Avoaka aloha ny dibera atao lasa malemilamy na atao “bain-marie” koa raha taraiky, arotsaka ny siramamy, arotsaka ny atody efa somary nokapohana kely
Potserina ao koa ny voasary makirana ary kikisana ny hodiny farany vao arotsaka  ny lafarina sy lalovay dia afangaro tsara daholo. Tsy lalaovina  ela loatra ny rehetra fa manjary tsy mikarepoka.
Rehefa mifangaro tsara dia atao anaty "sac à poche" dia misafidy "douille" izay tiana, asiana dibera ny "plaque" dia alahatra asiana elanelany ny "biscuit".
Azo atao koa anefa ny manao izany amin’ny sotro na sotrokely  fotsiny.
Alefa anaty lafaoro  efa nafanaina mialoha amin’ny hafanana 180° dia jereo matetika rehefa miloko dia vita izay,  15 minitra eo miankina amin’ny lafaoro.

nahandron'i Iavomamy Nirina

Catégorie: