Biscuit au nutella

696

ODY AM-BAVA FO NA SAKAFO MARAINA : BISCUIT AU NUTELLA na NUTELLOTI -
nahandron'i BENEDETTA - pejy Fatto in Casa da Benedetta)

ZAVATRA ILAINA :
Ho an’ny paty:
Nutella 180g 
Atody 1
Lafarina 150g
Sesika :
Nutella na kaofitiora izay tiana

FIKARAKARANA AZY :
- Atao anaty lovia jobo ny nutella sy atody dia afangaro mafy tsara.
- Rehefa mitambatra tsara dia arotsaka tsikelikely ny lafarina, afangaro tsara foana mba tsy hisy mivaingambaingana mandrapaha tapitry ny lafarina. 
- Alaina ny “plaque” dia asiana “papier cuisson”. (Mety koa ny emballage, somary asiana menaka kely)
- Asiana menaka kely aloha ny tanana mba tsy hampiraikitra ny paty. Maka kely amin’ilay paty, dia volavolaina ho boribory toy ny henabaolina ary alahatra eo ambonn’ilay plaque, elanelanina tsara. 
- Potserina amin’ny fanondro eo afovoan’ilay boribory mba hisy lavaka kely (tsy atao tanteraka hatrany ambany akory)
- Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 10 minitra fotsiny.

- Mandritra izay dia maka “poche à douille” na koa “sac congélation” dia asiana nutella ao anatiny na kaofitiora ary hetezana kely ny zorony dia iny no hamenoana ilay lavaka kely natao tamin’ny fanondro teo rehefa mivoaka avy ao anaty lafaoro.
Azo asiana m&m's eo amboniny hanome loko kokoa. 
Azo soloina pate sablé koa ny biscuit dia asiana nutella ihany. Raha tsy tiana handrahoina ny nutella.

Isika tia karokaroka, tsy voatery manana ireo fitaovana rehetra ireo fa mety io na anaty lafaoro vilany aza, tsy voatery mampiasa "poche à douille" koa fa sotrokely dia mety.
Mazotoa o !

Afaka mijery vidéo ato isika  

 

Catégorie: