Blanc de poulet pané

925

" BLANC DE POULET PANÉ"
sakafo tian'ny ankizy amin'izao andro vacances izao

ZAVATRA ILAINA:

nofon-tratran'akoho (blanc de poulet)
lafarina 2sotro fihinanana
atody 1 
corn flakes ( jereo ny sary)
dipoavatra, fleurs de sel, herbes de provence
dibera kely

FIKARAKARANA AZY:

- Didina manify ny nofon-tratran'akoho, asiana dipoavatra sy herbes de Provence (Izaho manokana tsy manisy sira rehefa hena endasina satria mitera-drano, fa samy manisy fleur de sel rehefa eo an-dovia.Ny ahy aza tsy asiako sira akory fa hitako rehefa matsiro ny sakafo tsy misy akora simika)
- Vontosana lafarina, avy eo ampandalovina atody voakapoka, dia rakofana corn flakes
- Endandasina amin'ny dibera ao anaty lapoaly. Rehefa mendy tsara dia atsika ambony taratasy (soupalin na papier absorbant)

- Afaka aroso miaraka amin'ny salady sy "gratin de légumes" na "gratin de pâtes" ho an'ny ankizy.
Am-pitiavana foana

nahandron'i Niry Rafi

Catégorie: