Bol renversé 1

Portrait de Angie
661

SAKAFO MAHALEO TENA : "BOL RENVERSE" 

zavatra ilaina : (izay fatra mety aminao)
sakaibe (poivron)
karaoty
tisam (na izay anana misy)
olatra (champignon)
sauce huitre
« bouillon » kely
« maïzena » na « fécule » kely
atody
saosisy fumé (na nofon'akoho na crevette)
vary

Fikarakarana azy :

- tetehana ny sakaibe, zaraina roa ny karaoty dia tetehina manify, toy izay ihany koa ny tisam na izay anana misy
- ny olatra (champignon) somary endasina ( atao toy ny manao wok), izany hoe endasina tsisy rano ny legioma, asiana « sauce huitre » sy « bouillon » kely , « maïzena » na « fécule » kely mba hampatevina azy
- endasina mitokana ny « oeuf sur plat »
- alaina ny bol, arotsaka aloha ny legioma, izay vao ny saosisy (na nofon'akoho na crevette), ary farany vary, ahohoka ambony lovia ary apetraka ny atody.

Ny « bol renversé » tsy voatery hisy mamimamy fa raha ilay « sauce aigre doux » ireny dia vinaigitra kely sy siramamy mena sy « coulis de tomate » ary « piment doux » kely voatoto no anaovana azy.

Mazotoa o
Nahandron'i NyÉko Soké Zita

Catégorie: