Bolety legioma

400

PAILLASON DE LEGUMES AU POULET - boulettes de legumes au poulet - bolety legioma sy akoho

Mba miova amin'ny sakafo mahazatra indray ka mba manao fangaro vaovao.
 

ZAVATRA ILAINA :
Karaoty antonony 3
ovy kelikely 8
korzety antonony 2
atody 1
nofon'akoho (izay habetsany tiana, afaka tsy asiana koa)
"muscade" 1/2
origan
menak'oliva 3 sotro
"moutarde" 1sotro lehibe
sira, dipoavatra
poti-mofo (chapelure)

FIKARAKARANA :

- Kikisana ny karaoty, ny korzety, ny ovy
- Tetehana madinika ny nofon'akoho efa nomasahana (raha asiana)
- atambatra ary arotsaka ao ny atody 1 sy ny hanitra isan-karazany ary sira, afangaro
- omena bika toy ny kalitesa ( tsihifina tsara fa mitera-drano )
- Asoka anaty poti-mofo (chapelure) dia endasina.

Tsara ho fantatra :
- Tsara raha karakaraina avy hatrany satria arakaraky ny hilomany ela no mampi-tera-drano ny legioma (rehefa avy nasiana sira)
- Tsara manao rony kely ampiarahana aminy 

nahandro sy sarin'i ‪‎Tiana Malala

Catégorie: