Bolety soja

Portrait de Angie
598

BOLETY SOJA 

 

ZAVATRA ILAINA:

 

Faikan-tsoja (soja 1 kapoaka avy nalona rano 1,5l iray alina, totoina amin'ny "robot", avy eo andrahoina hakana rorono. Tantavanina rehefa mangotraka ny ronono ka ilay faikany tsy ariana fa iny no ilaintsika eto).

Toto-kena 125g

Sira

dipoavatra

Fromazy (teama) 01

Atody 02

Tongolo maitso tetehina madinika izay fatra tiana
Tongolo gasy izay tiana

lafarina 4 sotro fihinanana

Rano 4 sotro fihinanana

Menaka anendasana azy.
 

FIKARAKARANA :

 

- Afangaro tsara avokoa ireo rehetra ireo ka rehefa vita, dia volaina amin'ny tanana atao fisapisaka. Na afaka raisina amin'ny sotro dia arotsaka avy hatrany anaty menaka mamay.

- Tsihifina tsara ny menaka dia izay!!!

Afaka aroso miaraka amin'ny salady na atao laoka tsara.

 

MAZOTOA O!!!

 

Nahandron'i Miora Rakotonjanahary

Catégorie: