Bolety tsaramaso

548

BOULETTES DE FLAGEOLETS

tsaramaso lena fa maina koa mety

ZAVATRA ILAINA:

Tsaramaso
sira, dipoavatra,
kotomila, 
tongolo maintso
totokena
atody 1
menaka fanendasana

 

FIKARAKARANA:

andrahona malemy ny tsaramaso ka rehefa masaka dia potserina amin'ny "fourchette" na amin'ny "mixeur"
asiana sira, dipoavatra, kotomila, tongolo maintso, totokena, atody 1.
volavolaina ny bolety dia endasina ka atao mamay tsara ny menaka vao arotsaka dia ampidinina ny hafanan ny afo hahamasaka azy nefa tsy miraikitra na miparitaka

NB: mety daolo rehefa voamaina, vomanga, mangahazo, saonjo koa tsara be atao anio. Ary azo asiana tongolo gasy, sakamalaho na curry ny fangarony

Mazotoa o 

Nahandron'i Onitriniaina Rova Andriantsoa

 

Catégorie: