Bomba frity

789

BOMBA

 

GOUTER - ODY AM-BAVA FO : BOMBA FRITY - "Bombe fritte" (spécialité italien) 

Izy ity dia fihinana rehefa fety karnevaly ary tena ankafizin'ny rehetra na lehibe na kely, ankehitriny anefa dia lasa hita mandava-taona satria sady mora atao no tsara. 

Misy natiora ary misy voasesika 

ZAVATRA ILAINA:
nahavita 12 isa ity fatra ity fa araka ny habeany tiana ihany io
Lafarina 350g
siramamy 100g
lalovay 5g (levure de bière no tena tsara) fa eto dia lévure chimique no nisy 
atody 1 (azo soloina ronono kely handemana azy)
dibera 30g (na menaka 20g)
hanitra: ranomboasary makirana kely teto fa azo atao lavanila ihany koa

FIKARAKARANA AZY:
Afangaro daholo ny rehetra : lafarina,lalovay, siramamy, atody, dibera, ary ny hanitra dia atao toy ny baolina dia avela hipetraka mba ho lasa avo roa heny ny habeany,
Rehefa avy nipetraka dia zaraina 12 toy ny baolina kely dia somary fisahana amin'ny "rouleau"1sm eo ny hahavony, na koa fisahana daholo dia atao boribory amin'ny "emporte pièce" na vera koa dia mety.
dia avela hipetraka eo indray aloha ireo baolina kely efa voafisaka be dia be mba hitombo indray.

FAHANDRO AZY:
Hafanaina ny menaka mandifotra azy dia endasina tsy atao be am-bilany ary rehefa menafify dia avadika, atsika amin’ny taratasy na “sopalin” hitsika tsara ny menaka,

1- Natiora : rehefa miala tsara ny menaka dia ampandalovina anaty lovia misy siramamy dia vita,

2- Voasesika: maro ny safidy azo atao : ny kaonfitiora, sokolà, tantely, sns sns

Eto dia ny tena maha baomba azy “originale” no natao ka dia nutella sy crème chantilly (crème liquide no kapohina hiakatra ho fotsy tsara ary azo asiana siramamy fa ny  eto tsy nasiana satria efa mamy ny mofo no mamy koa ny  nutella )
Didiana roa ny baomba dia hosorana “nutella ” aloha vao asiana chantilly

Miammmm

Mazotoa o 

Nahandron'i CHEF TIA 

 

Catégorie: