Bonbon sésame

472

BONBON SESAME

Maro ny otrik'aina entiny sady tsy dia lafo izy anefa, raha eto Tana mandehana eny Anosibe 1200 ariary ny kapoakan'ny sesame fotsy dia 1000 ariary ny sesame mainty. ( taona 2015)

Zavatra ilaina:

sesame 100g,
siramamy 125g,
voasary makirana 1/2,
tantely 1sotro

Fikarakarana:

Endasina ny sesame, rehefa manitra tsara dia vita.
Empoina ny siramamy sy ny ranon'ilay voasary makirana, tsy haroina fa ny vilany no ahetsiketsika mandrapiempony, alefa ny tantely rehefa hita fa levona ny siramamy ka azo ilay loko ilaina amin'ny siramamy (aza atao mainty loatra na marron loatra fa mangidy ny bonbon) alefa koa ilay sesame voaendy dia aroina haingana amin'ny sotro hazo.
Etsy andaniny efa nanomana latabatra nosorana menaka, avy dia araraka eo ilay bonbon, fisahina hanify amin'ny tavoahangy nosorana mefaka ihany koa, tetehina omena endrika avy eo dia rehefa somary maina vao esorina hiala.

Mazotoa o 
nahandron 'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: